1 Ary hiteny ianao amin'izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia* afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao. [Na: Fa tezitra tamiko Hianao, nefa]

2 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy. 

3 Koa amin'ny fifaliana no hantsakanareo rano amin'ny loharanom-pamonjena. 

4 Ary hiteny ianao amin'izany andro izany ka hanao hoe: Mider an'i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin'ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany. 

5 Mankalaz an'i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany. 

6 Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin'ny Isiraely.
